VAOVAO TAMBATRA

Faharoa maneran-tany mamokatra grafita voajanahary i Madagasikara, aorian’i Chine. Manara­ka antsika eo i Mozambika sy i Brezila. Hita tao anaty angon-kevitra USGS 2024 ireo antontanisa iraisam-pirenena ireo. Mahazo tombony amin’ny fitomboan’ny lanjan’izany eo amin’ity tsena iraisam-pirenena ity i Madagasikara, amin’ny maha tafiditra antsika ao anatin’ny lisitry ny mpisehatra fototra amin’ny fitrandrahana ny grafita voajanahary.
Hanamafy ny ady amin’ny kolikoly ny minisiteran’ny Jono (MPEB). Hotohizana koa ny fampiroboroboana ny fandraharahana eo amin’ity sehatra ity sy ny fihariana anaty rano. Mifanindry an-dalana amin’ny Pai­kadin’ny Vondrona eoropeanina amin’ny sehatry ny jono ireo, entina hitantanana maharitra ny harena an-dranomasina, izay iarahan’ny roa tonta miasa.
Hahitsy ny famatsiam-bola mahakasika ny ady amin’ny valala, eo anivon’ny Ivontoerana hiadiana amin’ ny andiam-balala eto Madagasikara (IFVM). Handray anjara amin’ny fanatanterahana ny tetikasa “Tendrom-pampandrosoana ny sehatry ny fambolena indostrialy any amin’ny tapany atsimo, Picas-1”, andiany voalohany, ihany koa ny fanjakana malagasy, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fambolena (Minae). Hanondrana voanjo any Chine i Madagasikara, rah any tanjona.

Partager sur: