Bodybuilding maneran-tany: Notolorana mari-boninahitra ny tompondaka

Tsy navelan’ny fanjakana handalo fotsiny ny nandrombahan’ny Malagasy atleta ny tompondaka maneran-tany teo amin’ny taranja bodybuilding. Noraisin’ny filoham-panjakana, ny kolonely Randri­anirina Michaël, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ireo atleta nitondra avo ny voninahi-pirenena. Notolorana mari-boninahitra Rakotoman­dimby Rado, izay voahosotra ho tompondaka maneran-tany teo amin’ny sokajy bodybuilding latsaky ny 80kg. Teo koa i Marinjara Maurice, voahosotra ho tompondaka lefitra teo amin’ny Classic Physique, nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja bodybuilding, natao tany Indone­zia, ny 11 hatramin’ny 17 no­vambra lasa teo. Anisan’ ny angady nananana sy vy nahitana izao vokatra izao ny eo anivon’ny Federasionin’ny bo­dy­building ka notolorana mari-boninahitra ny filoha sy ny tale teknika nasionaly ho marika ny fankasitrahana azy ireo. Naneho fisaorana lehibe ho an’ny filoha ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahan­tena noho ny lanja omen’ny fitondram-panjakana ny fanatanjahantena ao anatin’ny politika fanavaozana an’i Madagasikara.

Mi.Raz

Partager sur: