Vita ny fananganana tanàna vaovao faharoa, ahitana fotodrafitrasa maro. Eo koa ny fanamafisana ny fefilohan’Ikopa, mirefy 3,5 km.
Mitohy ny asa fanajariana ataon’ny tetikasa Produir. Notokanan’ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny raharahan-tany (MFTR), ny jeneraly Lylison René de Rolland sy ny solombavabahoaka ary ny ben’ny Tanàna CUA, ny fotodrafitrasa naorin’ny tetikasa. Teo koa ny mpandrindra ny tetikasa Produir sy ireo mpiara-miombon’antoka. Voalohany, ireo trano fonenana anaty tanàn-dehibe vaovao, andiany faharoa. Ahitana fotodrafitrasa ho an’ny vahoaka, toy ny lalana, lalankely, paompin-drano, fanasan-damba, toerana fanaovana fanatanjahantena, toerana famakiam-boky, sns. Maherin’ ny 500 000 isa ny mponina afaka misitraka ireo fotodrafitrasa ireo, ao anatin’ny boriborintany I sy IV eto Antananarivo Renivohitra (CUA), sy ny kaominina Bemasoandro, Andranonahoatra ary Anosizato Andrefana.
Fotodrafitrasa goavana faharoa, vitan’ny tetikasa Produir, ihany koa, ho fiarovana an’Antananarivo amin’ny todradrano, ny fefilohan’ny reniranon’ Ikopa, mirefy 3,5 km. Tsiahivina fa tamin’ny taona 1990 no nisy fanarenana lehibe farany toy izao, tamin’ity fefiloha ity. Fotodrafitrasa iankinan’ny mponina maherin’ny 314 000 isa, ho fiarovana amin’ny tondradrano, noho ny fisian’ity fefiloha nataon’ny Produir ity.
Famatsiam-bola 140 tapitrisa dolara
Mahatratra 140 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ho an’ny tetikasa Produir, avy amin’ ny Banky iraisam-pirenena.
Ankotra ireo fotodrafitrasa vao notokanana, anisan’ny asa goavana atao koa ny fanadiovana ny lakandrano C3, mirefy 13 km, avy any Anosibe hatreny Andranomena. Mahatratra 20 000 m3 ny fotaka efa nalana, natoby eny Iarinarivo. Ho vita amin’ny jona 2026 ny asa rehetra. Maherin’ny 1 tapitrisa ny mponina misitraka tombontsoa, nanome asa mihoatra ny 200 000.
Njaka Andriantefiarinesy




