Mbola sakana lehibe ho an’ny vehivavy maro ao Toliara ny fidirana amin’ny sehatra niomerika, indrindra fa eny amin’ny fokontany tena sahirana. Antony nahatonga ny Orange solidarité Madagascar, tohanan’ny Fondation Orange, nanao ny fandaharanasa « Maisons digitales pour les femmes » any an-toerana izany, hanohanana ny sehatrasa sy ny fidiram-bolan’ny mponina. Tanjona ny hanamafisana ny fahaleovan-tenan’ny vehivavy eo amin’ny toekarena sy sosialy.
Vita sonia ny zoma 21 novambra teo ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny Orange solidarité Madagascar, ny kaominina Toliara ary ny fikambanana SAHI hametrahana sy hanatanterahana ny tetikasa. Araka izany, hisitraka fiofanana maimaimpoana momba ny tontolon’ny niomerika sy ny fandraharahana ireo vehivavy. Mpandray anjara 20 ka hatramin’ny 25 isaky ny andiany no horaisina ary ho laharam-pahamehana ny vehivavy tsy an’asa. Ny hanatsarana ny fahafahana miditra eo amin’ny tontolon’ny asa haingana sy maharitra no atao vaindohan-draharaha amin’ izany. « Hanomezana sehatra hianarana, handraharahana, hanamafisana ny fahatokisan-tena ary hanehoana ny maha izy ny vehivavy ao Toliara ny Maison digitale. Noho izany, soa fanararaotra maharitra ny sehatry ny niomerika no ataon’ ny Orange Madagascar sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Tafiditra ao anatin’izany ny fanovana sy fanatsarana ny
fiainana », hoy ny filohan’ny Orange solidarité Madagascar, Benja Arson.
Henintsoa




