Mitohy ny fisamborana sy famongoran’ny mpitandro filaminana ireo mpanao asa ratsy eto amin’ny Nosy. Jiolahy miisa 11 voasambotry ny zandary avy eny Andoharanofotsy ny sabotsy maraina lasa teo. Nahatrarana fiara roa sy karazana zava-mahadomelina tany amin’izy ireo.
Manoloana ny trangana tsy fandriampahalemana sy asa fanendahana eny an-toerana, nifarimbona ny mpitandro filaminana nahafahana nisambotra ireo andian-jiolahy ireo. Nahatrarana fiara roa, sy zava-mahadomelina tany amin’ireo andian-dehilahy ireo, raha ny fanazavana voaray avy eo anivon’ny tobim-paritra Andoharanofotsy.
Nohamafisin’ny mponina tonga nanao fitarainana sy nitory teny anivon’ny biraon’ny zandary tetsy Andoharanofotsy fa mpanendaka sy mpifoka zava-mahadomelina ary mpamono olona ireo voasambotra ireo. « Mahavita mamono mahafaty olona mihitsy izy ireo rehefa manao ny asa ratsiny, nefa tafavoaka ny fonja foana rehefa voasambotra », hoy ireo mponina nanontaniana. Nahitana mpandraharahan’ny fonja misotro ronono ny iray tamin’ireo jiolahy ireo. Nambaran’ireo mponina fa tompon’antoka amin’ny famoahana ireo andian-jiolahy voasambotra ireo, ilay mpiasan’ny fonja iray tratra.
Tafavoaka ny fonja foana
Efa maro ny lasibatra tamin’ny asa ratsy ataon’ireo olona voasambotra ireo, raha ny fanazavan’ireo mponina hatrany. Mahafantatra olona ambony ireo andian-jiolahy ireo ary mandrahona ny hamono ho faty mihitsy. Efa fantatra avokoa ny ankamaroan’ ireo olona manao izany, izay mponina eny Andoharanofotsy ihany, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Tsihivina fa anisan’ny voaendak’ireo andian-jiolahy ireo ny miaramila am-perinasa iray teny Andoharanofotsy tamin’ iny volana lasa iny. Efa nisy koa vehivavy naratra voavely tamin’ny bois rond teny an-toerana ihany.
Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao. Ahafantarana ny tena marina amin’io rahaharaha fisamborana io.
Mino




