Lehilahy iray 23 taona, voasambotry ny polisy tetsy Andavamamba Ambilanibe, omaly tolakandro tamin’ny 3 ora tolakandro. Voarohirohy nangalatra sy mivondrona ao anatin’ny fikambanan-jiolahy manao fanafihana mitam-piadiana izy io. Niainga tamin’ny fitarainana nataon’ny olon-tsotra lasibatra ny 16 novambra lasa teo, no nahafahana nisambotra azy. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany, ny vola 600 000 Ar, finday roa ary karapanondro.
Lehilahy namono vady tetsy Manjakary, karohin’ny polisy fatratra. Nandositra ny lehilahy iray avy nanao herisetra tamin’ny vadiny tetsy amin’ny fokontany Manjakaray, boroboritany fahadimy, ny tolakandron’ny 27 novambra teo. Nifamaly tao amin’ny trano fonenany ny vehivavy iray sy ny lehilahy vadiny. Hasarotam-piaro avy amin’ilay rangahy no nitarika ny fifamaliana. Tsy nahatsindry fo anefa io lehilahy io ka nanindron’antsy ny vadiny. Nahare ny zava-nisy ireo mponina ao an-toerana ka niantso mpitandro filaminana miasa eo anivon’ny CSP8.
Vehivavy lehibe iray, niboridana, tratra niditra tao an-tranon’olona tetsy Amparihikambana, Tsiroanomandidy, ny zoma alina teo. Niditra antsokosoko tao an-tranona mpiambina iray izy. Heverin’ny olona fa mpamosavy izy io saingy nohamafisn’ny havany fa manana olana amin’ny saina, ka antony nahatonga azy nanao izao.
Nahatrarana zava-mahadomelina telo gony tany Toliara II ny alin’ny 29 hifoha 30 novambra lasa teo. Lehilahy telo no hita nitondra izany teny anelanelan’ny lalana Andranomena sy Betsinjaka tamin’ny 12 ora alina. Nitsoaka ary narian’izy ireo teo ireo gony vantany vao nahita ny polisy izy ireo.




