Orinasa afakaba : Fangatahana « agréement »

Nikarakara fivoriana loabary an-dasy ny zoma teo, ny minisiteran’ny Indostria sy ny fampiroboroboana ny tsy miankina (MIDSP) sy ny EDBM (Economic Developmemt Board of Madagascar), niaraka tamin’ny mpandraharaha tsy miankina, sy ny rafi-panjakana samihafa ary ny mpikambana anaty Vao­miera iraisan’ny minisitera (CTI). Fifanakalozan-kevitra, nifantoka tamin’ny fahazoana fahazoan-dalana ho an’ny orinasa afakaba.
Fihaonana fanindroany ity natao ity, nanazavana ny dingana samihafa arahina, izay sarotra matetika ho an’ny ori­nasa. Toy ny fangatahana fahazoan-dalana amin’ny fanja­kana (agréement) ; na io fangatahana vaovao, na fanitarana toerana hamokarana, na fanitarana seha-pihariana, na fanovana anarana orinasa, sns.
Nomarihin’ny minisitra MIDSP, Rasoarahona Andry, fa aseho, toy izao fivoriana izao, ny mangarahara, ny fandrin­drana ary ny fanamorana hanamafisana ny fampiasam-bola tsy miankina eto Madagasikara. Nohamafisina ny fifampitokisana eo amin’ny rafi-panjakana sy ny mpandraharaha tsy miankina.
Nampafantarina ny fitaovana niomerika vaovao Madazef, mikarakara ny antontan-taratasy fahazoan-dalana « agréement » ho an’ny orinasa afakaba.

Njaka A.

Partager sur: