Vita sonia ny 18 novambra teo, ny fifanarahana eo amin’ ny orinasa Promodim, ao anatin’ny vondrona Imperial Brands sy ny orinasa Vitogaz Madagasikara. Nanatanteraka izany, ny tale jeneraly ny Promodim, Rabarijhon Francis, sy ny tale jeneraly ny Vitogaz, Andriamampianina Zo. Mifantoka amin’ny fanamorana ny hahazoan’ny tokantrano malagasy, ny fampiasana entona fandrehitra ny fiaraha-miasa. Misitraka izany ny tokantrano miisa 205, mpikambana anaty VOI Tsimialonjafy, monina manodidina ny valanjavaboahary Madagasikarantsika any Ampotaka, kaominina Mandoto, faritra Vakinankaratra. Tafiditra ao anatin’ny Andraikitra raisin’ny orinasa ara-tsosialy sy fitandroana ny tontolo iainana (RSE) ity tetikasa ity. Toy ny fampihenana ny fampiasana saribao sy kitay, anisan’ny antony lehibe hanimbana ny ala eto Madagasikara, izay vahaolana azo antoka sady maharitra. Maharitra 12 volana ity fiaraha-miasan’ny roa tonta ity. Anehoana fa manana ny toerany matotra amin’ny fiampitana amin’ny fampiasana angovo madio ny sehatra tsy miankina, sady mikajy ny harena voajanahary eto amintsika.
Valanjavaboahary voalohany naorin’ny orinasa Imperial Brands ny Madagasikarantsika any Ampotaka Mandoto. Toerana noforonina, ahitana fambolen-kazo isan-kazarany ka lasa tontolo maitso tanteraka, ankehitriny.
Njaka A .




