Nitohy ny alahady teo, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahadimy iadiana ny ho tompondakam-pirenena, taranja rugby, “XXL Top 12”. Tsy mbola afa-bela tamin-dry (Cosfa) Bebaoty indray ry zareo USA (Ankady). Niondrika tamin’ny isa tery, 16 no ho 14.
Niady hatramin’ny “gong” farany ny lalaon’ny roa tonta. Nitarika tamin’ny isa 7 no ho 0 ny Cosfa, rehefa nahatonga baolina nentin-tanana sy nahatsara izany. Nanenjika miandalana ny Ankady, taorian’io ka nahatsara “hors jeu” indroa ka nihena ho 7 no ho 6 ny isa. Nifamaliana ny fanafihana avy eo. Nitarika izany i Gervais sy i Dj ho an’ny Bebaoty raha i Mattfield ho an’Ankady. Nahafaty “hors jeu” indray ny Cosfa ka lasa 10 ny isany. Nanova ny endri-dalaon’Ankady ny fidiran-dRahery. Porofon’izany, nialoha ny “gong”, hialana sasatra, nahatsindry baolina izy ireo saingy tsy voatsaran-dRahery. Nisarahan’ny roa tonta ny isa 11 no ho 10, tao anatin’ny 40 mn voalohany.
Fizaram-potoana faharoa, samy niezaka nanafika ny roa tonta, samy nahafaty “hors jeu” ny ekipa roa ka roa ho an’ny Cosfa ary iray ho an’Ankady. Tany amin’ny “gong” farany, nahazo fanafihana ny USA saingy votsotra teo am-pototry ny tsipika hanindriana azy ny baolina. Teo amin’ireo vokatra hafa, lavon’ny Tam Anosibe, tamin’ny isa 28 no ho 26, ny TFA Anatihazo ary resin’ny Mang’Arts, 25 no ho 22 ny 3FB
Tompondaka




