Anjozorobe: Raikely voatondro ho nanolana ny zana-badiny

Nosamborin’ny zandary tao Ambatomanoina, distri­kan’ Anjozorobe, ny lehilahy iray voarohirohy tamin’ny tranga fanolanana, afakomaly. Anki­zivavy vao 14 taona monja nitaraina tamin’ny fianaka­viana manodidina. Nana­fina tamin’ny reniny io zaza io noho ny tahotra an’ilay raikely. Nitoroka tampoka teny anivon’ny zandarimaria anefa ny mpiray vodirindrina amin’io fianakaviana nitrangana fihe­tsika mamoafady io, nitatitra ny zava-nisy niainan’ilay zaza tsy ampy taona. Nalaina am-bavany, araka izany, ilay ankizivavy lasibatra. Nitantara ny zavatra niainana ity farany. Roa volana lasa no niharan’ny fanolanana nataon’ilay raikeliny izy. Efa naneho fihetsika tsy voahevitra matetika tamin’ io zaza io, toy ny fikitikitihana azy koa, io lehilahy io. Nana­ra­raotra ny fotoana tsy naha tao an-tokantrano an’ilay renim-pianakaviana ny vadiny. Ity farany sy ny zanaka vavin’ilay ramatoa irery no niambina ny trano. Voalaza fa nanamparan-dralehilahy ny filan-dra­tsiny ilay ankizivavy. Nosam­borina avy hatrany ilay voatondro ho nahavanon-doza. Miroso amin’ny fanadihadiana azy ny zandarimaria. Hato­lotra ny fampanoavana izy aorian’izay. Nentina eny anivon’ny mpitsabo natao fiza­hana kosa ilay ankizivavy voalaza ho niharan’ny fanola­nana. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana.

Tsiferana R.

Partager sur: