Jiolahy mpamaky trano voasambotry ny polisy niaraka tamin’ny entana halatra teny aminy tetsy Antohomadinika, ny 28 novambra lasa teo. Niditra antsokosoko tao amin’ny tokantrano iray tamin’ny andro atoandro io olon-dratsy io. Nobatainy ny fahitalavitra lehibe iray. Hitan’ny fokonolona izany ka tratra ilay mpanao ratsy.
Ramatoa iray mpivarotra anana hita faty tao amin’ny lakandrano iray teny Tsaramasay, Boriborintany fahatelo, omaly maraina. Mpandalo vao maraina no nahatazana ny nofo mangatsiakan’io vehivavy io. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy.
Dahalo roa lahy lavon’ny balan’ny zandary tao Ambilobe, ny 2 desambra lasa teo. Nanafika mpitondra moto iray ireo olon-dratsy ireo. Lasa tamin’izany ny moto. Vehivavy iray voatondro ho mpisera. Tafakatra dimy ireo voasambotra ka nikasa handositra ireo roa lahy. Maty voatifitra ireto farany.
Lehilahy iray hita faty nifatotra tady ny tendany ka nihantona tamin’ny hazo, tao Andranomadio 11/43, kaominina Toamasina, afakomaly. Miahiahy ny fokonolona nanatri-maso fa vono olona io nitranga io, saingy nosarontsaromana tamin’ny endrika famonoan-tena.




