Herinaratra : Foana ny delestazy any Toliara

Foana tanteraka ny delestazy ao an-tampon-tanànan’i Toliara. Mandeha araka ny tokony ho izy ny famatsiana herinaratra any an-toerana, vatsian’ny orinasa Enelec. Mahatratra 4,2 MW isan’andro ny filan’ny mpanjifa ao Toliara, ary tafa­katra 8,5 MW amin’ny hariva. Araka ny fifanarahan’ny Enelec, ao anatin’ny vondrona Filatex, amin’ny fanjakana, herinaratra 9,9 MW no vokariny, ampidirina anaty tambajotram-pitsinja­rana Jirama. Tafakatra 12,1 MW, ankehitriny, ny vokatra, manome antoka ny famatsiana ny tanàna iray manontolo, mamaly ny filan’ny mponina sy ny orinasa any an-toerana.
Mamokatra herinaratra azo avy amin’ny herin’ny maso­andro ihany koa ny Enelec. Efa miasa ity fotodrafitrasa ity, mamokatra 3,9 MW ary mbola eo am-panitarana ihany koa. Tombontsoa lehibe azo aminy ny fampiarahana ny vokatra amin’ny herinaratra vokarin’ny gropy mandeha amin’ny solika. Araka ny antontanisan’ny teknisianina, ahafahan’ny Jirama mitahiry hatrany amin’ny 1 miliara Ar isan-taona ny vokatra herinaratra 1 MW avy amin’ny herin’ny masoandro.

Njaka A.

Partager sur: