Mitentina 4 miliara dolara ny tetibola natokan’ny Banky iraisam-pirenena hanohanana ireo tetikasam-pampandrosoana 23 atao eto Madagasikara. Mitsinjara amin’ny sehatra efatra lehibe izany dia ny angovo, ny rano, ny lalana ary ny haitao ara-kajy mirindra. Nasongadin’ny solontenan’ny Banky iraisam-pirenena, Atou Seck, omaly, fa « miandry ny fanatanterahana ireo asa rehetra ireo izahay mba hipaka mivantana eny ifotony ». Nasongadin’ny Banky iraisam-pirenena fa mahatratra 90 miliara Ar isam-bolana ny fatiantoka ho an’ny sehatry ny angovo, izany hoe, 1 080 miliara isan-taona. Tao anatin’izay, mitentina 1 270 miliara Ar ny fanampiana nomena ny fitondram-panjakana ny taona 2023, ka ny 28 miliara Ar no natao ho an’ireo toerana mitoka-monina. Mbola ambony, hoy izy, ny fiankinandoha amin’ ny fampiasana solika eto Madagasikara, izay tafakatra 54% ny fandaniana, raha ny 102% ny vola miditra. Voalaza fa manodidina ny 30% ny fatiantoka eo amin’ny herinaratra noho ny fahasimban’ny tambajotra, ny halatra sy ny hosoka. Araka izany, mahatratra 1 673 miliara Ar ny trosan’i Madagasikara eo amin’ ny sehatry ny angovo.
Nanazava ihany koa izy ireo fa tsy nisy tetikasa najanona nandritra ny krizy niseho teto amin’ny firenena. Naato ny famatsiam-bola ary efa mandeha ara-dalàna izany nanomboka ny 12 novambra teo.
Ho an’ny Jirama manokana, mahatratra 84 tapitrisa dolara ny tohana omen’ny Banky iraisam-pirenena ho fanatanterahana ny tetikasa Lead izay mikendry ny fampiroboroboana ny fisitrahana herinaratra, fizarana « kits solaire » ary ny fampiofanana ireo mpiara-miombon’antoka samihafa.
Henintsoa




