Ho fantatra amin’ny faran’ny herinandro ho avy izao ireo filoha vaovao hitantana ny ligim-paritra eo amin’ny taranja tsipy kanetibe. Hisantatra izany, araka ny fandaminana, ireo ligy efa nisy teo aloha. Hotanterahina herinandro aorian’izay ny an’ireo ligy vaovao. Izay lany eo no hifidy indray ny filohan’ny federasionina (FSBM), ny 27 desambra 2025.
Araka ny tetiandro napetraky ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana eo anivon’ny taranja tsipy kanetibe, taorian’ny fivoriambe natao ny 26 septambra lasa teo, hotanterahina ny sabotsy 6 desambra ho avy izao ny fifidianana izay ho filohan’ireo ligim-paritra, ho an’ny taom-piasana vaovao.
Hizara roa miavaka tsara izany ka handeha mialoha ny an’ireo ligy miisa 7 efa nisy teo aloha dia i Analamanga, Itasy, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony ary i Menabe.
Ny sabotsy 13 desambra kosa ny an’ireo ligy vaovao, ahitana an’i Bongolava, Amoron’i Mania, Boeny, Ihorombe ary Atsimo Andrefana. Misy ireo ligy manana kandidà roa toa an’Analamanga sy Matsiatra Ambony. Eo koa i Bongolava sy Atsimo Andrefana. Mahakasika ireo mpifidy indray, tsy mahazo mandatsa-bato ireo klioba tsy manana taratasy fahazoan-dalana avy amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena na “certificat de conformité” sy ireo filoha ana klioba tsy manana fanamarinana andraikitra “attestation de fonction” manan-kery, izany hoe, ireo azo taorian’ny volana aogositra 2021.
Ho an’ny federasionina indray, ny sabotsy 27 desambra no hanatontosana izany. Tsiahivina fa efa nitsahatra tamin’ ny asany, ny 13 novambra teo, ny filohan’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM). Araka izany, ny filoha lefitra no misahana vonjimaika ny fampandehan-draharaha eo anivon’ity federasionina ity mandra-pisian’ny filoha vaovao. Hatreto, mbola vao ny filoha teo aloha ihany no nitonona ho kandidà amin’ny fifidianana izay ho filoha’ny FSBM. Raha tsy misy ny fiovana, ny zoma 5 desambra no hanambarana ireo mpifaninana nahafeno fepetra.
Tompondaka




