Notifirin’ny jiolahy : Namoy ny ainy ilay mpanao taxi-moto

Maty teo no ho eo ny mpanao taxi-moto iray ary lasan’ny jiolahy ny moto nentiny teny Ambohimanambola, ny alin’ny talata teo, tamin’ny 8 ora.

Notifirin’ny jiolahy tamin’ny basy, voan’ny bala teo amin’ny tratrany havia ka namoy ny ainy ny mpanao taxi-moto iray teny Ambohi­bato, kaominina Ambohi­ma­nambola, afakomaly. Nahare antso vonjy sy poa-basy indroa ny mponina teny amin’ny fo­kontany Ambohibato, ny talata alina tamin’ny 8 ora. Nirefotra tampoka ny basy. Tsy nisy sahy nivoaka ireo manodidina raha tsy fotoana fohy taorian’izay. Nijery ny zava-nisy izy ireo. Hita nitsirara tamin’ny tany ny lehilahy iray efa tsy nisy aina intsony. Nanao solomaso io lasibatra io. Nan­driaka ny ra. 10 minitra taorian’ny tranga, naharay antso ny zandarimaria miasa eo anivon’ny borigady Ambohimanam­bola. Nidina ifotony nanamarina io vono olona io izy ireo. Nahitana diam-bala ny vatan’ilay lehilahy. Notifirin’ireo olon-dratsy tsy lavitry ny sorony ha­vanana izy.

Voaroba ny moto

Nalain’ireo tsy valahara ny moto nentin’ity lehilahy lasibatra ity. Niezaka nikaroka ny mombamomba an’ity farany ny tomponandraikitra. Voama­rina fa mpanao taxi-moto eny 67 Ha io maty voatifitra io. Mpi­avy eto an-dRenivohitra, mi­velona amin’ny alalan’ny fitateran’olona amin’ny moto hatry ny ela izy. Monina any Mana­kara avokoa ny fianakaviany saingy misy vitsivitsy miasa eto Antananarivo. Raha tsiahivina, lasibatra tato ho ato ireo mpanao taxi-moto. Anisan’iza­ny, ny mpanao taxi-moto iray hita faty vao mangiran-dratsy izay simba tanteraka ny endriny noho ny vono sy daroka na­taon’ireo mpanao ratsy azy, teny Ifarihy, ny 17 oktobra lasa teo. Nalain’ireo mpandroba koa, ny moto teny aminy.

Tsiferana R.

Partager sur: