Vaky trano eny Itaosy: Jiolahy roa voasambotra

Nifanenjehan’ny fokonolona. Jiolahy roa voasambotra teny amin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy sy Ambohima­mory, omaly. Matetika hitrangana vaky trano sy hala-boty eny amin’io faritra io. Nahare fisian-javatra hafahafa, mailo ny tompon-trano ka nitazana ivelan’ny trano tao Bemasoandro. Olon-dratsy efa nikasa hamaky ny trano no hitan’izy ireo. Niantso mpitandro filaminana avy hatrany ny tompon-trano saika voaroba. Nivoaka ny fokonolona ka tratra ny lehilahy iray. Niharan’ny daroka noho ny hatezeran’ireo mponina na­hasambotra azy izy. Nandositra ny naman’ity mpanao ratsy ity. Ankoatra azy, lehilahy iray hafa koa saron’ny fokonolona tao anaty fiara, teny Ambohimamory. Namaky ny fiara ilay jiolahy saingy nisy nahatsikaritra tampoka. Tsy tafavoaka intsony ka noraisim-potsiny. Nentina nihazo ny biraon’ny zandary izy roa lahy. Natao famotorana alohan’ny hanoloran’ny mpitandro filaminana azy eny anatrehan’ny fampanoavana.

Tsiferana R.

Partager sur: