Lehilahy roa voasambotra : Vola sandoka 2 tapitrisa mahery saron’ny polisy

Saron’ny polisy avy amin’ny CUI Toamasina, faritra Atsinanana, afakomaly, ny lehilahy roa 30 sy 40 taona. Voarohirohy tamin’ny fikirakirana sy fanapariahana vola sandoka izy ireo. Nahatrarana vola sandoka mitentina 2 400 000 Ariary tany amin’ireto olon-dratsy ireto.
Tratra nikirakira sy nifampizara vola tsy tena izy 20 000 Ariary, nanoloana ny Bazary kely Toamasina ireto farany, tamin’ny 4 ora sy sasany hariva. Somary hafahafa ny fihetsik’ireto mpanao vola sandoka ireto ka niroso tamin’ny fisavana ny polisy. Fantatra, nandritra izany, fa vola sandoka no nifampizaran’izy ireo. Taorian’ izay, niroso tamin’ny fisavana ny trano fonenan’izy ireo, izay any Ambohijafy, ny polisy. Mbola nahitana vola sandoka 20 000 Ariary miisa 120 isa tao. Mitentina 2 280 000 Ariary ny fitambarany.
Nentina avy hatrany teny amin’ny Sûreté urbaine de Toa­masina (SUT) nanokafana fa­nadihadiana izy roa lahy ireo. Mitohy hatrany ny fikarohana ireo olon-dratsy miray tsikombakomba amin’izao fa­napa­riahana vola sandoka izao. No­giazana ireo vola sandoka sarona. Hatolotra ny fampanoavana ny raharaha aorian’
ny famotorana. Tafidi­tra ao anatin’ny ady amin’ny fanaovana hosoka izao hetsika izao.

Mino

Partager sur: