Hita omaly atoandro ny vatana mangatsiakan’ilay ankizivavy 11 taona natelin’ny ranomasin’Ampasimandroro, Maintirano, ny alahady tolakandro teo. Naharitra telo andro ny fikarohana azy. Tany amin’ny 30 km niala ny toerana nisy azy farany no nahitana ny razana. Nilalao ranomasina niaraka tamin’ny namany miisa roa izy, saingy nentin’ny rano tany amin’ny lalina ary izao maty izao.
Olona dimy mianaka no nisy nandoro tao an-trano fonenany tany Antanambao, kaominina Ambohidrabiby, ny volana septambra lasa teo. Namoy ny ainy, nandritra izany, ny ankizikely iray, taizan’ny fianakaviana. Raha toa ka naratra vokatry ny hamaizana ireo ambiny. Fantatra fa ny raim-pianakaviana izay nikasa hanao sorona azy dimy mianaka no nahavanon-doza. Efa nisesisesy rahateo ny fandrahonana nataon’ity farany.
Tovolahy roa samy 16 taona, naiditra vonjimaika am-ponja. Nanolana ankizivavy 13 taona izy ireo. Nalefan’ ny mpanabe nody fa tsy nahavita enti-mody io ankizivavy lasibatra io. Tsy nody tany an-tranony ary hita natory tsy miankanjo tao amin’ny efitra fatorian’ny tovolahy namany. Nalefa any amin’ny toby fanarenana kosa ilay ankizivavy.
Olona dimy be izao no namoahan’ny fitsarana filazana fikarohana. Ahitana an-dRanjarasoa Nantenaina Elysa, nonina teny Ambohipo, i Tanjona Fanantenana Michael sy Andriamijoro Rovaniaina Pierrot, samy nonina teny Igaha. Miampy an’Andriamijoro Avotrinina Pierrot, nonina tany Vavatenina, Plle 03, sy Mandamina Judickael, nonina tany Ambodisatrana Ambodikininina. Iangaviana mba hampandre ny manam-pahefana izay mahita azy ireo.




