Tetikasa PIC 3 : Manome tantsoroka ny fandraharahana

Miantoka ny fampandrosoana ny toekarena ny fampiroboroboana ny orinasa sy ny fahaiza-manaon’ny mpitantana. Tafiditra ao anatin’ny drafi-panatanterahan’ny tetikasa « Pôles intégrés de croissance » (Pic) 3, izay tohanan’ny Banky iraisam-pirenena ny hanohanana ny fitomboan’ny orinasa madinika sy salantsalany any amin’ny faritra. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fahaiza-mitantana an’ireo mpandraharaha amin’ny sehatry ny fambolena, fizahantany ary varotra.
Misongadina manokana ny hanohanana ny fitomboan’ireo orinasa manana herijika lehibe sy ny hanamafisana ny sehatra niomerika sy ny fanodinana vokatra ara-pambolena. Nivoitra izany nandritra ny fivorian’ny komitim-pirenena mpanatanteraka ny tetikasa Pic 3 izay iarahan’ny minisitera samihafa misalahy. Nankatoavina tamin’io fotoana io ny drafitra sy tetibola isan-taona ho an’ny taona 2026 izay mikendry manokana ny fanatanterahana ireo asa sy vina napetraky ny tetikasa ho an’ny fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara.

Henintsoa

Partager sur: