Hotontosaina, anio, eny amin’ny kianjan’Ambohidratrimo, ny andro farany fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Poule des AS”, diviziona faharoa nasionaly. Ho fantatra anio, araka izany, ny anaran’ireo klioba roa hiatrika ny dingan’ny famaranana ho an’ireo klioba mifanintsana any Ambohidratrimo. Raha ny filaharana vonjimaika navoakan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, omaly, tao amin’ ny pejiny, efa azo lazaina tsara toerana ny handray anjara amin’ny Poule des AS ny Clinique Zanatany Sofia. Efa manao veloma ny fifanintsanana kosa ny AS Vanilantsika Sava.
Ankoatra izay, ho toy ny famaranana kely ny fifanandrinan’ny TGBC Atsinanana sy ny OM Alaotra Mangoro. Ireo klioba roa ireo, samy manana isa dimy ka izay tafavoaka mpandresy amin’izy roa no ho tafita any amin’ny dingana faran’ity fifanintsanana nasionaly ity. Tsara marihina fa natao hahazoana ny tapakila hiakarana any amin’ny diviziona voalohany “Pureplay Football League (PFL)” ity fifaninanana ity.
Fitia Randria
Ny filaharana vonjimaika D2 Nasionaly
Kianja Ambohidratrimo
1- Clinique Zanatany (isa 6), nahavita lalao 4
2- OM Alaotra Mangoro (isa 5), nahavita lalao 3
2- TGBC Atsinanana (isa 5), nahavita lalao 3
4- Ased Diana (isa 2), nahavita lalao 3
5- AS Vanilantsika Sava (isa 1), nahavita lalao 3




