Zaza narina an-davapiringa : Notanana am-ponja ny reniny

Naiditra am-ponja, omaly, ny renim-pianakaviana iray nanary an-janany tao an-davapiringa, tao Atalata Atsinanana, distrikan’Ambohimahasoa. Zaza menavava hitan’ny fokonolona tao anaty lavapiringa, ny 27 novambra lasa teo. Tsy nahatsikaritra ny fisian’io tranga io ny tompon-tanàna. Nikasa hanao ny filàny tao anatin’io toerana io ny olon-tsotra iray kinanjo nahita ilay fatin-jaza. Nifangaro tamin’ny maloto ary efa tsy nisy aina intsony ilay zaza. Niantso ny sefo fokontany sy ny tomponandraikitry ny filaminana avy hatrany ireo nanatri-maso. Nofongarina tao anatin’ny lavaka ny fatin-jaza. Nanokatra fanadihadiana ny polisim-pirenena miasa eo anivon’ny kaomisaria Ambohimahasoa. Nokarohina ny reny nahavanon-doza saingy tsy hita tamin’io fotoana io. Nitohy ny fanadihadiana ka tratra ihany ity farany. Niaiky heloka ito vehivavy ito ary voamarin’ny mpanao famotorana fa mbola mpianatra ity nahavitra nanary ny zanany ity. Nalevina ilay zaza raha toa ka natolotra ny fampanoavana kosa ny nahavanon-doza.

Tsiferana R.

Partager sur: