Nilanja sorabaventy, nidina an-dalambe naneho ny tsy fankasitrahany ny fanakanana azy ireo hivarotra amoron-dalana ireo mpivarotra teny amin’ny manodidina an’i Soarano, boriborintany voalohany, omaly. Nivondrona ka nampiantso mpanao gazety ireo solontenany. “Tsy mankasitraka ny fanakanana anay tsy hivarotra izahay. Misy fanavakavahana. Nahoana misy avela malalaka hivarotra ary misy tsy avela”, hoy ny fanazavan’ny solontenan’ireo mpivarotra ireo. Nanomboka tamin’ny 9 ora maraina, niatrana teny an-toerana ireo mpivarotra. Nifehy ny fandriampahalemana kosa ny ekipan’ny polisim-pirenena sy ny polisy monisipaly. Niroso tamin’ny fifampiresahana tamin’ny solontenan’ny mpivarotra izy ireo. Nitady ny marimaritra iraisana eo anivon’ny tomponandraikitry ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo mpivarotra. Tsiahivina fa natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra ny sisin-dalana ary ho an’ny mpitondra fiara sy moto ny arabe. Na arabe na lalan’ny mpandeha an-tongotra anefa toa lasa fivarotan’ireo mpivarotra amoron-dalana, indrindra rehefa vanim-potoana manakaiky fety tahak’izao. Andrasana ny fandraisana andraikitry ny tomponandraikitry ny kaominina manoloana io fitakian’ny mpivarotra io.
Tsiferana R.




