Hotanterahina any Djibouti, ny 9 hatramin’ny 12 marsa, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny faritra atsinanana, taranja tenisy ambony latabatra. Manana solontena valo mianadahy hiatrika izany isika. Tanjona fohy ezaka tratrarina miaraka amin’ireto mpilalao ireto ny fandrombahana ny anaram-boninahitra ho tompondakan’i Afrika Atsinanana. Io no hahafahana mandray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika kaontinantaly sy ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany. Ankoatra izay, tafiditra sahady amin’ny fanomanana ny Lalaon’ny Nosy atao eto amintsika izy ity, hahafahana mandrombaka medaly volamena sy hitazomana ny laharana voalohany amin’izany. Eo ihany koa ny hiadiana ny tapakila, hahafahana miatrika ny Lalao Olympika, tanterahana any Frantsa amin’ny 2024. Aorian’izany rehetra izany, ezaka ataon’ny federasiona sy ireo mpilalao ny handraisana anjara amin’ireo lalao maro any ivelany, izay karakarain’ny federasiona iraisam-pirenena, mba hahazoana laharana tsara maneran-tany. Manantena ary manentana ny rehetra, mba hanohana ireto mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena ireto ny eo anivon’ny federasiona, satria mbola lavitra ny fikasana sy ny lalana halehan’izy ireto.
Mi.Raz
Ireo atleta mandrafitra ny ekipam-pirenena
Lehilahy : Nativel Jonathan, Ravonison Stephen, Rakotoarisoa Mamy Setra, Rakotoarimanana Fabio, Razafinarivo Antoine.
Vehivavy : Dimbimiarilanitra Harena, Raharijaona Santatriniaina, Raharimanana Hanitra Karen.