“Cours des dirigeants sportifs”: Mpiofana 24 nahazo mari-pankasitrahana

Tontosa nandritra ny 3 andro, nanomboka ny 1, nitohy hatramin’ny 3 desambra lasa teo, teny Ivandry, ny fiofanana mahakasika ny fitantanana ny fanatanjahantena na “Cours des dirigeants sportifs “, andiany faha-21.

Mpiofana 24 no nahavita izany ka nandray ny mari-pankasitrahana, ny alarobia 3 desambra teo. Zava-dehibe ny fahafantarana ny lalàna mifehy ny fitantanana ny fanatanjahantena. Tena ilaina ny manana olona mahafehy izany eto Madagasikara, raha ny nambaran’ny mpio­fana, Raharimalala Léa, filohan’ny Federasionina mala­gasin’ny volley-ball. Nisaotra ny Kaomity olympika mala­gasy izy nikarakara ny fam­pio­fanana. Mbola maniry ny hanapariahana bebe kokoa sy hampitomboana izany fa tena antoka mampandroso ny fanatanjahantena. Tsiahivina fa mpanao gazety ara-panatanjahantena 8 mianadahy ihany koa niatrika ny fiofanana ary anisan’ny nampiavaka ity andiany faha-21 ity izany. Namba­ran’ny Tale misahana ny fampiofanana eo anivon’ny Kao­mity olympika malagasy, i Toavina, fa ny fampiharana ny fahalalana norantovina any amin’ny sehatra misy ny tsirairay no tena andrasana amin’ireo mpiofana. Nanom­boka ny taona 2017 no nisy ny Cours des dirigeants sportifs ary efa mpiofana aman’arivony no niatrika izany hatramin’ izao.

Mi.Raz

Partager sur: