“Can 2025” : Anisan’ireo hitsara lalao i Dimby

Namoaka ny anaran’ireo mpitsara hitantana ny lalao amin’ ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra (Can 2025), ny Kaonfederasionina afrikanina, ny 1 desambra lasa teo. Fihaonana hotanterahina any Maroc, ny 21 desambra 2025 – 18 janoary 2026, izao. Manana solontena amin’ izany ny Malagasy, amin’ny alalan’Andriatianarivelo Dimbi­niaina. Tsy ho mpitsara afovoany izy fa eny an-jorony. Tsy vao izao akory no hisahana izany ny tovolahy fa efa manana traikefa. Miisa 73 ny isan’ireo mpitsara ka 28 mpitsara afovoany ary 31 eny amin’ny sisin’ny kianja. 14 kosa hisahana ny fahitalavitra hitiliana ny fahadisoana (Var).
Ankoatra izay, naneho ny alahelony sy ny hatezerany amin’ny fanapahan-kevitry ny Federasionina iraisam-pirenena (Fifa), ny ankamaroan’ny mpanazatra an’ireo ekipa tafita amin’ity Can ity. Tsy afaka mamonjy ny fampivondronana ao anaty ekipam-pireneny mantsy ireo mpilalao any Eoropa raha tsy ny herinandro mialoha ny hanombohan’ny fifanitsanana. Araka izany, sarotra amin’ireo ekipa ny fanomanana noho ny mety tsy fahampian’ny lalao tsapa.

Tompondaka

Partager sur: