Baolina kitra –D2 Nasionaly : Fantatra ireo klioba tafiditra “Poule des As”

Notontosaina omaly, teny amin’ny Kianjan’­Ambohi­dra­trimo, ny andro faran’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Poule des As”, ho an’ny diviziona faharoa nasionaly. Fan­tatra avokoa ny anaran’ireo klioba roa hiatrika ny dingan’ny famaranana ho an’ireo ekipa mifanintsana eny Ambo­hidratrimo. Tafita amin’izany ny TGBC Atsinanana sy ny Clinique Zanatany Sofia.
Ankoatra azy roa ireo, ny ekipan’ny COSPN Anala­man­ga sy ny Antimo Record Atsi­mo Andrefana no hameno ny klioba ho efatra amin’ity “Poule des As” ity. Tsara ny mampahatsiahy fa lavon’ny mpila­laon’Atsinanana, tamin’ ny isa 2 no ho 1, ny OM Alao­tra Man­goro, omaly, teny an-toerana.
Taorian’io vokatra io, ny ekipan’ny TGBC indray no lasa laharana voalohany tao amin’ny sokajy Ambohi­dra­trimo, manana isa valo, ary faharoa ny Clinique Zanatany Sofia, mitana isa enina.
Raha tsy misy ny fiovana, ireo klioba efatra ireo no miakatra ao amin’ny “Pureplay Football League (PFL)”, satria nakarina ho 16 ny isan’ireo mifanintsana anaty diviziona voalohany.

Fitia Randria

Partager sur: