SOMBIM-BAOVAO

Efa manomboka mahazo volontany ao amin’ ny klioban’ny AL Merriekh SC, ny Malagasy mpilalao, i Nicolas sy i Fenohasina. Tompon-toerana izy miraha­lahy nandritra ny lalao nihaonan’ity klioba ity tamin’ny Rutsiro. Nandresy tamin’ny isa 1 no ho 0, ny ekipandry Feno sy Nicolas, tamin’izany, ary mitombo hatrany ny fahatokisan’ny mpanazatra azy roa lahy ireto.
Mbola mitana ny laharana voalohany vonjimaika ao amin’ny « La Liga » Espagne, ny ekipan’ny FC Barcelone. Izy ireo izay avy nandavo ny Athletico de Madrid tamin’ny isa 3 no ho 1, ny talata lasa teo, tao Camp Nou. Eo amin’ny laharana faharoa kosa ny Real Madrid, izay nahita fahombiazana 3 no ho 0, teo anatrehan’ny Athletic Bilbao, afakomaly.
Manana solontena roa vavy i Madagasikara mandritra ny fifaninanana “Grand Slam de Tokyo”,
amin’ny faran’ity herinandro ity. Rasoanaivo Razafy Aina Laura, izay hifaninana eo amin’ny sokajy latsaky ny 70 kg, sy Razafindrakalo Natacha, sokajy latsaky ny 48 kg, no hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany. ny fianakaviany sy ny kliobany no nanohana an’i Natacha raha toa ka ny Federasiona iraisam-pirenena sy ny OIF kosa no nanohana an’i Laura amin’izao fifaninanana izao.

Partager sur: