Hotanterahina ny 6 febroary ho avy izao, ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny taranja Muay Thai, hay ady avy amin’ny kolontsaina thailandais sy asiatika. Tsy diso anjara ny mpiangaly izany eto Madagasikara fa hankalaza ihany koa. Nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny Muay Thai, Rakotoalizao Haina Tiana Gervais, fa sady fanokafana ny taom-pikatrohana 2023 ho an’ny taranja Muay Thai malagasy io andro io. Hotontosaina mandritra izany koa ny fifampiarahabana nahatratra ny taona eo anivon’ny federasiona.
Tsara ny manamarika fa taranja tena manavanana ny Malagasy tokoa ny Muay Thai ary efa nandraisana anjara tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena ka nahazoana vokatra tsara. Efa manomboka miroborobo ihany koa ity taranja ity izay efa manenika an’i Madagasikara. Ligy miisa 6 (Atsinanana, Matsiatra Ambony, Bongolava, Vakinankaratra, Analamanga, Alaotra Mangoro) hatreto no efa tafatsangana. Efa mahatratra 500 mahery ny mpikatroka manerana ny Nosy.
Mi.Raz