Fanafihana mitam-piadiana : Jiolahy roa maty voatifitra, dimy azo sambo-belona

Natao fanadihadiana omaly, ireo jiolahy dimy voasambotry ny polisim-pirenena tao Ambatondrazaka. Roa lahy hafa maty voatifitra.

Fikambanan-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana sady mpanao herisetra ravan’ny polisim-pirenena, tao Ambatondra­za­ka, ny alakamisy 4 desambra lasa teo. Nirongatra ny asan-jiolahy tao amin’io distrika io. Nandray andraikitra ny ekipan’ny polisim-pirenena mi­asa ao amin’ny sampandraharahan’ny Fikarohana fandikan-dalàna (SRPJ) Alaotra Mangoro sy ny Kaomisaria Ambatondrazaka. Naharay lo­haranom-baovao marim-pototra izy ireo momba ny fisiana olon-dratsy anisan’ny nanao fanafihana herinandro vitsy lasa. Voasambotra io mpanao ratsy io. Niainga taminy ny fanadihadiana rehetra. Nito­roka ireo mpiray tsikombakomba taminy izy. Nivoatra ny fandihadiana. Niampy ireo anarana voatonona ho mpanao asan-jiolahy sy ny toerana misy azy ireo.

Nanohitra polisy
Nandritra ny fotoana nitarihan’ireo jiolahy roa lahy ny polisy hisambotra ireo namany ireo, nanohitra tampoka izy roa lahy. Nikasa haka ny fitaovam-piadiana teny amin’ny mpitandro filaminana izy ireo ka voatifitra. Vokany, namoy ny ainy ireo jiolahy roa. Na izany aza, olona miisa dimy mianadahy tratra taorian’ny vela-pandrika nataon’ny polisy. Vehivavy ny roa tamin’ireo voasaringotra ireo. Nahitana fitaovam-piadiana mahery vaika teny amin’ireto farany. Trano iray eny 67 Ha no fanitrihan’izy ireo ny entana halatra sy fieren’ireo jiolahy ireo. Nosavain’ny polisy io toerana io ka nahatrarana entana maro.

Tsiferana R.

Partager sur: