Nitondra fanazavana momba ny fanavaozana ny seha-pihariana lavanila ny minisitry ny Varotra sy ny fanjifana, Andriamadison Haingotiana, nandritra ny fihaonany tamin’ireo loholon’i Madagasikara teny amin’ny Lapan’Anosikely. Efa nisy, hoy izy, ny atrikasa nihainoana ny mpisehatra rehetra tany Sambava. Natsangana ihany koa ny komity teknika iraisan’ny minisitera handinika ny vahaolana maharitra sy handrindrana ny tahirina lavanila. Manampy ireo fepetra fohy ezaka ireo ny fanafoanana ny fandoavana 4 dolara isaky ny kilaon’ny vokatra aondrana. Ho halalahana ny sehatra, amin’ny alalan’ny fanitarana ny fe-potoana fandraisana ny fangatahana fahazoan-dalana hanondrana. Ankilany, nilaza ny minisitra fa hisy ny atrikasa atao aorian’izao mba handrindrana ny taom-piotazana manaraka. Na izany, nampahatsiahy manokana izy fa tafakatra 2 150 Ar ny handraisan’ny mpanangom-bokatra ny kilaon’ny letisia, raha nanodidina ny 1 500Ar izany teo aloha.
Ankoatra izay, hatsaraina ny asa fanaraha-maso ara-toekarena eny amin’ireo mpandraharaha. Marihina fa mila fahamendrehana ny fanaraha-maso atao ho an’ny tombontsoan’ny mpanjifa sy ho an’ny fiarovana azy. Tafiditra ao anatin’izany ny mombamomba ny entam-barotra sy ny vidiny.
Henintsoa




