Volana desambra: Niakatra ny vidin’ny solika rehetra

Nihatra nanomboka ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo ny vidin-tsolika vaovao mandritra ity volana desambra ity, raha ny navoakan’ny Ofisy malagasy momba ny akoranafo (OMH). Araka izany, niakatra 110 Ar raha oharina ny vidiny teo aloha ny lasantsy sy gazoala, nahitam-piakarany 90Ar ihany koa ny vidin’ny solika fandrehitra (pétrole lampant). Ni­laza ny OMH fa vokatry ny fiovan’ny vidin-tsolika maneran-tany sy ny olana eo amin’ny fa­matsiana no antony mahatonga ny fiakarana. Anisan’ny na­hitam-piakarana ambony in­drin­dra ny lasantsy izay vidiana 5 170 Ar ny litatra raha toa ka 5 060 Ar izany teo aloha. Lasa 4 660Ar ihany koa amin’izao ny litatry ny gazoala raha mbola novidiana 4 550Ar izany iray volana lasa. Niharan’ny fiakaram-bidy 90Ar ihany koa ny litatry ny solika fandrehitra. Ity farany izay anisan’ny ampiasain’ny ankamaroan’ny tokantrano any ambanivohitra. Ankehitriny, jifaina 3 490Ar ny litatra raha 3 400Ar teo aloha.

Fanafarana entana
Mifanandrify indrindra amin’ny vanim-potoan’ny fety ity fa­nitsiana vaovao ny vidin-tsolika ity. Fotoana mampiakatra ny ta­han’ny fanafarana entana ma­neran-tany. Na izany, ma­na­mafy ny fitondram-panjakana fa natao hialana tsy fitoviana sy hiantohana ny mangarahara ny fampiharana ny vidin-tsolika tena izy. Nohamafisiny ao anatin’izay fa mitohy hatrany ny fa­matsiana ny solika eto Mada­gasikara noho izy miantoka ny fihodinan’ny toekarena.

Henintsoa

Partager sur: