Maty tsy tra-drano ny mpandeha roa tamin’ireo enina tao anatin’ny fiara tsy mataho-dalana iray tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, tao amin’ny distrikan’Antanifotsy, ny 5 desambra lasa teo. Niainga avy eto Antananarivo, nikasa hihazo an’Antsirabe io fiara io. Hiditra ny tanànan’ Andalamaty, fokontany Masoandro, kaominina Ampitatafika, PK 91 + 800, nivoaka ny arabe tampoka tamin’io fotoana io. Tsy voafehin’ny mpamily intsony ny familiana ka nifatratra tamin’ny sisin-dalana. Mafy ny dona nihatra tamin’ny fiara. Vokany, voa mafy ireo mpandeha tao anatiny. Namoy ny ainy ny olona miisa roa, araka ny fanazavan’ny zandarimaria nanao ny fanadihadiana. Nifamonjena nentina teny anivon’ny toeram-pitsaboana ireo olona efatra ambiny. Voa mafy ny roa, na izany aza, tsy ahina ny fahasalaman’izy ireo. Potika tanteraka ny fiara. Matetika hitrangana lozam-pifamoivoizana ahafatesan’olona ny vanim-potoana manakaiky fety tahaka izao. Tsy fitandremana hatrany anefa no tena mitarika ny loza.
Tsiferana R.




