Naratra mafy niharan’ny daroka sy vono vokatry ny hatezeran’ny fokonolona ny mpanendaka iray, teny Ambolokandrina, boriborintany faharoa, ny sabotsy teo, tamin’ ny 11ora alina. Olon-tsotra taraiky fodiana no lasibatry ny mpanao ratsy. Miisa efa-dahy ireo mpanendaka ka naka ny finday teny amin’ny lasibatra, tsy lavitra ny tetezana Ambolokandrina. Nanohitra ireto farany satria telo lahy izy ireo sady niantso vonjy. Nandositra ireo mpanao ratsy, saingy nifanenjehana ka voasambotra ny iray. Niharan’ny daroka ity farany. Voa mafy teo amin’ny faritry ny masony sy ny lohany. Nivoa-dra izy. Nidina ifotony nijery ny toe-draharaha ny polisim-pirenena. Nentina natao famotorana ilay mpanendaka. Lasan’ireo namany ny finday saingy efa miroso amin’ny famotorana ny mpitandro filaminana. Nilaza ho monina ao Antsahameva io lehilahy voasambotra io. Marihina, matetika hitrangana fanendahana sy vaky trano eny Ambolokandrina sy ny manodidina, tato ho ato. Ankoatra io, saron’ny polisy miasa ao amin’ny boriborintany fahatelo, teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be « Kiraro Ravinala Mahazo », ny lehilahy iray, ny sabotsy lasa teo. Tratra nisinto-mahery kitapon’ny mpandeha iray teny an-toerana izy, tokony ho tamin’ny 1 ora tolakandro. Vehivavy sendra nandalo teny an-toerana no sendra ny asa ratsy nataon’ity mpangalatra ity. Nisy nisintona tampoka ny kitapo teny an-tanany, tsy voatazony ary lasan’ity farany. Lasa nirifatra nitsoaka avy hatrany ilay olon-dratsy taorian’izay. Niantso vonjy ilay vehivavy lasibatra. Naheno izany ny polisy niasa teny an-toerana ka nanenjika ilay mpanao sinto-mahery. Tratra tsy lavitra teny an-toerana io olon-dratsy io. Mbola hita teny aminy ilay kitapo nangalariny. Naverina tany amin’ny tompony izany taorian’ny fanamarinana nataon’ny polisy.
Mino.




