Nitsidika ny distrikan’i Marovoay ny filoham-pirenena Rajoelina Andry nanomboka omaly ka ny kaominina Ankaboaka no nisantarany izany ary nitondrany tohana ho an’ny traboina miaraka amin’ny tolotra ara-pahasalamana.
Nitondra fanampiana ho an’ireo traboina noho ny rivodoza Cheneso ao amin’ny kaominina Ankaboaka, distrikan’i Marovoay ,faritra Boeny, ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, omaly. Mahatratra 20 306, anatin’ny tokantrano 4252, ny olona traboina ao anatin’io distrikan’io, ary olona roa no tsy hita, araka ny tatitry ny BNGRC ny alarobia lasa teo. Mbola misy olona nafindra toerana 19 630 satria 235 ny trano simba raha 11 139 doborano. Nidina tany mihitsy ny filoham-pirenena nitondra tohana ho an’ny mponina satria anisan’ny nibaby takaitra betsaka vokatry ny ranobe ny any an-toerana. Nahazo vary, menaka, siramamy, voamaina, akanjo sy kojakoja samihafa… izy ireo. Nizarana masomboly koa ny tantsaha izay 90% amin’ny vahoak’Ankaboaka satria tototry ny fasika avokoa ny tanimboly rehetra. Masomboly 20 kg ho an’ny tany1ha ka rehefa misintona ny rano dia afaka manarina ny fambolena izy ireo. Hojerena manokana koa ny station de pompage mampiakatra ny ranon’i Betsiboka ho tonga eny an-tanàna sy hamokarana. Hamboarina daholo ny fotodrafitrasa ravan’ny rivodoza farany teo, hoy ny filoha.
Hetsika ara-pahasalamana
Nihazo ny lalam-pirenena fahaefatra, ny alarobia lasa teo, ireo fiarabe miaraka amin’ny fitaovana sy mpitsabo hamonjy ny any amin’ny distrikan’i Marovoay, faritra Boeny, handray an-tanana ireo traboina taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso. Io distrika io no hampiantrano ity hetsika ara-pahasalamana goavana ity nanomboka omaly tontolo andro. Hetsika iarahana amin’ny « Association Fitia » sy ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ary ireo mpiara miombon’antoka maro. Hanamafy ny sosialim-bahoaka, araka ny toromarika avy amin’ny filoha, rahateo ny tanjona ka anisany ny fanohanana ireo traboina taorian’ny voina.
Vonjy A.