Anisan’ny mamatsy herinaratra amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA), an’ny Jirama, ny orinasa Afripower, ao anatin’ny vondrona Filatex. Hanomboka ny fananganana ny fotodrafitrasa foibe mamokatra herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro ao Moramanga. Hamokatra 40 MW ity foibe ity, raha toa ka 5 MW ny vokarin’ny foibe mandeha solika (HFO) ao an-toerana, ankehitriny. Ho vita amin’ny fiandohan’ny taona 2026 ny ampahany voalohany amin’ny asa, hamokatra 15 MW.
Hihena be ny fandanian’ny Jirama raha vao mihodina ity foibe ity. Ahazoana tahirim-bola 1 miliara Ar ny vokatra herinaratra 1 MW ampidirina anaty tambajotra ho famatsiana herinaratra.
Anisan’ny lehibe indrindra amin’ny famokarana angovo avy amin’ny masoandro ity hatsangana ao Moramanga ity.
Angovo azo havaozina
Nilaza ny tale jeneralin’ny Afripower, Ramarondray Tahina, fa taratry ny paikady mahomby apetraky ny Afripower ny ao Moramanga. Izany hoe, mamokatra herinaratra betsaka amina fotodrafitrasa maoderina amin’ny alalan’ny angovo azo havaozina. “Mpiara-miombon’antoka akaiky amin’ny fanjakana sy ny Jirama izahay, hanamafisana ny fisitrahan’ny Malagasy herinaratra”, hoy izy. Mora vidy rahateo ny herinaratra vokariny.
Njaka A.




