Nanazava ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby fa vinavinaina hanome vahana ny fiforonana rivodoza ao amin’ny Ranomasimbe Indiana sy ao amin’ny lakandranon’ny Mozambika ireo fepetra an-dranomasina sy ny atmosfera amin’io herinandro miditra io (06 – 12 Febroary 2023).
Misy fanahiana kely ho an’i Madagasikara ny amin’izany fiforonana andro ratsy izany satria eo anelanelan’ny ranomasina roa hitoeran’izany andro ratsy izany ny misy antsika.
Tokony hanara-maso ny fivoaran’ny rivodoza, noho izany, ireo distrika ao amin’ny faritra Sava, Analanjirofo, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Menabe sy ireo distrikan’ny Mandritsara, Nosy Varika, Mananjary, Manakara, Ifanadiana, Besalampy, Maintirano, Morafenobe, Antsalova, Morombe, Toliara, Betioky Atsimo, Ampanihy, Beroroha, Ankazoabo Atsimo ary Sakaraha.
Mbola nanamafy kosa ny Meteo Madagasikara fa tsy misy atahorana ny mety fiforonana rivodoza hahakasika an’i Madagasikara hatramin’ny 5 febroary.
Mahakasika ny vinavinan’ny tonon-taona ho an’ny telovolana voalohany, febroary, martsa, aprily 2023 kosa dia vinanina hifanaraka na hanatombo noho ny tokony ho izy ny tahan’ny rotsakorana saika manerana ny Nosy ankoatra ny any Alaotra Mangoro, Analanjirofo, Atsinanana, Analamanga sy ny tapany atsimon’i Sava sy Sofia, ny tapany atsinanan’i Betsiboka ary ny tendrony atsinanan’ny faritr’Itasy sy Vakinankaratra.
Tatiana A