Fotodrafitrasa: mitohy ny fanamboarana ny teleferika

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia 1 febroary teo, ny fampahafantarana ny fivoaran’ny asa fanamboarana ny fotodrafitrasa teleferika, na fitaterana mihantona ampiasana tariby (TPC). Efa manomboka ny fanamboarana ny zotra Anosy-Soarano-Ambatobe.

Tsy misy intsony ny sa-kana, satria efa nankatoavin’ny banky So­ciété générale, ny 31 janoary 2023 teo, ny famoahana ny ampaham-bola voalohany. Ao anatin’izany ny hananganana ny zotra Volomboasary, mampitohy an’Anosy, Soarano, An­korondrano, Ivandry, Ana­lamahitsy ary Ambatobe. Efa nivoaka ny 11 mey 2022 ny didim-panjakana milaza fa ho an’ny tombontsoam-bahoaka ny tetikasa.
Manao ny asa ny orinasa Poma sy ny Colas. Efa tonga eto Madagasikara ireo fitaovana vaventy, toy ny andrimby lehibe (pylônes) ary tafapetraka ny fototra hananganana ny toby fiantsonana. Efa vita any ivelany sy vonona koa ny koja­koja sy ny fampitaovana hafa rehetra ilaina amin’ny toby fiantsonana na ny gara, sy ny andrimby miisa fito, hantsangana eo anelanelan’Anosy sy Soarano.

Mitotaly 12 km
Eo am-pamitana ny fanam­boarana ny fitaovam-pitate­rana mpandeha (cabines), ny milina hampihodina ny teleferika ary ny tariby hisintona ny fitaterana. Efa natao ny fa­man­drihana ny fitaovana ilaina amin’ny ampahany Soarano-Ankorondrano sy ny Ankoron­drano-Ambatobe.
Isan’ny asa efa natomboka etsy amin’ny toby fiantsonana Anosy, ny fanapahana ny hazo, ny famindrana ny lalan’ny tariby mitondra herinaratra sy ny fifandraisan-davitra. Eo am-panomanana ny fananganana ny andrimby eo anela­ne­lan’Anosy sy Soarano. Nofe­fena ny toby fiantsonana eny Soarano, iarahana amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), handrindrana ny fanembatsembanana ateraky ny asa.
Mitotaly 12 km ny hala­vany, ka mirefy 9,21 km ny zotra Anosy-Ambatobe, ary 2,60 km ny Anosy-Ambani­dia.
Miisa 274 ny fitaovam-pitaterana (cabines), maha­zaka mpandeha 10 hatramin’ ny 12 tsirairay avy, tombanana 28.000 hatramin’ny 38.000 isan’andro.

Njaka Andriantefiarinesy

Natao sonia ny 21 septambra 2021 ny fifanarahana, ary haharitra roa taona ny asa.
Maherin’ny 150 tapitrisa euros ny tetibola hanamboa­rana teleferika sy tohodrano any Mandraka. Voalohany, fampindramam-bola avy amin’ny banky Société générale ny
88 tapitrisa euros, iantohan’ny BPI France, miampy 28 tapitrisa euros ampindramin’ny Tahirimbolam-panjakana fran­tsay. Nisy koa fifanarahana nataon’i Frantsa sy Madaga­sikara, hananganana tohodrano Mandraka III, hamokatra herinaratra 5MW.

Partager sur: