Orinasa madinika : mitombo ny vehivavy mpitantana

Mitombo isa hatrany ny vehivavy mitantana orinasa eto Madgasikara, indrindra fa orinasa madinika sy salantsalany. Raha ny tarehimarika farany navoakan’ny SFI * tamin’ny faran’ny taona 2021, dia 35 % ny vehivavy mitazona orinasa madinika, 28,2 % mitantana orinasa salantsalany, ary 9 % mitarika orinasa vaventy. Eto Madagasikara no anisan’ny be vehivavy mitantana orinasa ambonin’ny salanisa aty Afrika tapany atsimo. Na tompona orinasa na voatendry amin’izany toerana fitantanana izany ireo vehivavy ireo. Salan-taona, 35 hatramin’ny 42 taona.
Ahitam-bokatra mahomby kokoa ny orinasa tantanan’ny vehivay eto Madagasikara, an’ny fanjakana na sehatra tsy miankina. Ankoatra ny fitantanana, mihabetsaka ihany koa izao ny vehivavy mampiasa vola, indrindra fa amina orinasa madinika sy misy fandraisana anjaran’ny vehivavy amin’ny vola miasa ao anatin’ny sehatra tsy miankina. Anatin’ny sehatra ara-dalàna (formels) ny maro amin’ireo orinasa madinika sy salantsalany tarihan’ny vehivavy. Tsy vitsy ihany koa anefa ireo tsy ara-dalàna (informels).
Marihina fa hita taratra ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy eto Madagasikara amin’ny ankapobeny amin’ny sehatrasa rehetra. Tsara toerana i Madagasikara, raha ampitahana amin’ny firenena afrikanina maro.

Ndrina

SFI* : Société financière internationale

Partager sur: