Baolina kitra : Tsy mbola nahazo ny valin-kasasarany ny Elgeco Plus

Tsy mbola tonga eo am-pelantanan’ny klioba Elgeco Plus ny vola tokony ho azony amin’ny maha tompondakan’i Madagasikara sy tompon’ny amboara nasionaly azy ireo. Raha tsiahivina, nanao pao-droa ity ekipan’Analamanga ity. Izy ihany koa no nisolo tena an’i Madagasikara teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika.

Hatramin’ny omaly! Nila­za ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny klioban’ny Elgeco Plus fa tsy mbola nahazo ilay tambim-pandresena, amin’ny maha tompondakan’i Madagasikara sy tompon’ny amboara nasionaly azy, izy ireo. Anaram-boninahitra azony, nandritra ny taom-pilalaovana 2024/ 2025, izay nanaovany pao-droa. “Efa nifampiresaka ta­min’ny tomponandraikitra izahay, ary nanamafy izy ireo fa tsy maintsy hezahina hovitaina mialoha ny taom-pilalaovana vaovao ny fanomezana izany”, hoy ity mpampita vaovao eo anivon’ny klioban’Ana­la­manga ity.
Tsara ny mampahatsiahy fa ny Elgeco Plus no nanao pao-droa tamin’ny taom-pilalaovana farany teo, ary nisolo tena an’i Madagasikara nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Manana vina ny mbola hanao izany izy ireo amin’ity fe-potoan’ny fifanintsanana vaovao ity. Na­nao lalao ara-pirahalahiana tamin’ny klioba iray tany Brickaville, ny alahady teo, izy ireo. No­montsanin’ny Elge­co Plus, tamin’ny isa 8 no
ho 2, ity ekipan’Atsinanana ity.
Lalao sisa ilay “Poule des As”

Ady laharana sisa ny ma­ha zava-dehibe an’ilay “Poule des As” amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasi­kara, divizionina faharoa na­sionaly. Niakatra 16 mantsy ny isan’ireo klioba mifandona amin’ny “Pureplay Football League (PFL)”. Izany hoe, tafita any amin’ny divizionina voalohany avokoa ireo klioba manao “Poule des As” ireo. Anisan’izany ny CosPN Ana­la­manga, Clinique Zanatany Sofia, TGBC Atsinanana, Anti­mo Record Atsimo Andrefana. Hanomboka anio hatramin’ny alahady ho avy izao, etsy Ambohidratrimo, ny “Poule des As” D2 nasionaly.

F. R

Partager sur: