“Africa Cup 3×3”: Notoloran’ny Yas 52 000 000 Ar ny Ankoay

Noraisin’ny Yas Madaga­sikara, teny Andraharo, oma­ly, ny mpilalaon’ny Ankoay sy ireo Staff teknika ary ny mpanazatra, taorian’ny nandrombahan’i Madagasikara ny tompondakan’i Afrika basikety 3×3, sokajy lehilahy sy vehivavy. Fifaninanana notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. “Chèque cadeau” 52 000 000 Ariary no natolotry ny Yas ho an’ny mpilalaon’ny Ankoay, ny mpanazatra ary ny Staff teknika ho fankasitrahana ny eza­ka vitan’izy ireo. Nisy ihany koa ny fanomezana hafa. 15 taona izay no niara-dalana ny Yas sy ny Federasionina ma­lagasin’ny basikety, raha ny notsiahivin’ny filohan’ny Fe­derasionina, Ramaroson Jean Michel. Nisaotra manokana ny Yas ny tenany tamin’ny fanohanana tsy nisy fepetra ary mbola manantena ny hitohi­zan’izany fiaraha-miasa izany. Teo foana nanohana ary mbo­la hanohana, ho an’ny basikety malagasy, ny Yas, araka ny nambaran’ny filohan’ny Tale jeneraliny, i Benoit Janin, izay nanolotra fisaorana ho an’ny mpilalao nitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara sy ny Yas tamin’iny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety 3×3, natao teto Madagasikara, iny. Fanirian’ny Yas ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny lalao Olympika ary vo­nona hatrany izy ireo hanohana hahatongavana amin’izany.

Mi.Raz ­

Partager sur: