Nanao atrikasa tetsy Anosy, omaly, ny eo anivon’ny minisiteran’ny Asa, notarihin’ny minisitra Florent Soatiana Bety Leonne sy ireo solontenan’ny vondron’orinasa. Nambaran’ny minisitra fa natao izao atrikasa izao hahafahana mandeha any amin’ny fanavaozana sy hametrahana ny laharam-pahamehana, amin’ ny alalan’ny fampanana asa. « Miaraka hatrany ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana. Nifampihainoana ny olana na efa fantatra aza izany. Hafa koa anefa ny tranga niseho taty aorian’ireny krizy ireny ka nikarohana vahaolana », hoy izy. Nanteriny fa ilaina ny fametrahana ny asa mirindra sy milamina. Eo koa ny fipetrahan’ny rariny ara-tsosialy eto amin’ny firenena. Hiteraka fitoniana eo amin’ny asa fandraharahana izany sady tsy vitan’ny fitondram-panjakana samirery, amin’ny alalan’ny minisitera izany, araka ny nambarany. « Anton’izao atrikasa sy fihaonana izao ny hitadiavana vahaolana miaraka. Tanterahina amin’ny fametrahana ny tontolon’ny asa mirindra sy milamina », hoy ihany izy.
Nambaran’ireo sehatra tsy miankina fa andrasana ny fanatsarana rehetra tokony hatao aorian’izao atrikasa izao. Eo koa ny ho fampiharana izany amin’ny alalan’ny lalàna. Notsiahivin’izy ireo ny dingana samihafa eo amin’ny tsenan’ny Agoa iarahana amin’ ny Amerikanina ka iandrasana ny tohin’ireo dinika sy fifampiraharana rehetra efa natao. Na izany aza, milaza ho efa manana fanantenana izy ireo amin’ny taona hoavy io. « Mandeha ny fifandresen-dahatra miaraka amin’ny ambasadaorontsika ka andrasana ny ho tohiny », hoy izy ireo.
Synèse R.




