Mponin’i Maromby, Amboasary Atsimo : “Tafahoatra ny fihetsiky ny mpitandro filaminana…”

Tonga eto an-dRenivohitra ny solontenan’ireo mponina avy any amin’ny Kaominina Maromby, Amboasary Atsimo any Anosy. Velon-taraina tanteraka izy ireo amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny fihetsiky ny mpitandro filaminana.

“Tena maharary. Man­jaka ny asan-dahalo fa eo koa ny ataon’ny mpitandro filaminana”, hoy ny solontenan’ny mponina, i Lords Justin, tetsy Ambohijatovo, omaly. Nan­te­rin’izy ireo fa efa nanao ny dingana rehetra ireo mponina saingy tsy misy mpijery. No­tanisain’izy ireo niaraka amin’ny porofo fa tsy afa-manoatra izy ireo na napetraka any aza ny “Poste avancé” sy ny miaramila ary ny ZDS/CSAO. “Nisy mpiasan’ny Pam, maty voatifitra ary vehivavy iray naratra”, hoy izy ireo. Efa nampidirina am-ponja ireo nohadihadiana. Fa efa fantatra koa ny ahina ho olon-dratsy saingy tsy nosamborin’n’ny zan­dary CSAO. Tratran’ny Andrimasom-pokonolona anefa izy io ary nomena ny mpitandro filaminana. “Heno­nay anefa fa maty izy io. Tsy nohadihadian’ireo mpitandro filaminana akory fa natao hazalambo ny Andrimasom-pokonolona, miisa telo ary nodarohana”, hoy ihany ny tatitra. Nohazonina 10 andro mahery izy ireo ary mbola nisy hafa koa nosamborina. Nitakiana vola 15 tapitrisa Ar ary novakiana koa ny tranony. Nentin’ny CSAO ny omby maherin’ny 100 sy osy, navoaka tao anaty ala, araka ny fitantarana hatrany. “Miara-mandroaka ny omby ny dahalo sy ny ekipan’ny zandary ary nahita maso izany izahay”, hoy ihany izy ireo. Efa nidiny ifotony ireo manam-pahefana, tonga tao Maromby ka 58 ireo omby naverina. Nanjavona ny sasany. “Tena mba vonjeo izahay”, hoy izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: