Taksiborosy nivadika: olona iray maty, dimy naratra

Raim-pianakaviana iray namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga teny amin’ny RN7 anatin’ ny PK 205 + 300 teo An­dra­no­takatra, fokontany Ambohi­man­jaka, omaly maraina ta­min’ny 04 ora sy sasany. Niala tany Toliara ity taksiborosy ity. Nifandimby niteny ny mpamily vokatry ny fandehanana mafy ireo mpandeha sasantsasany. “Efa nampitandrina ny mpamily hanaja ny hafainganam-pandeha ireo mpandeha”, hoy ny zandary nanao famotorana. Tsara ny lalana ka nanampy trotraka ny hafainganam-pandeha teo amin’ny fiara. Tra-doza tampoka teo amin’io toerana io anefa izy ireo. Nivadika avy hatrany ny fiara vokatr’ io fandehanana mafy loatra io. Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray 44 taona. Naratra mafy ny mpandeha dimy hafa. Niezaka nanavotra ny ainy nivoaka ny fiara ireo naman’izy ireo hafa. Tonga teny an-toerana nanao ny fizahana ireo naratra ny to­mponandraikitra. “Tsy ahina intsony ny fahasalaman’ireo dimy naratra”, hoy ny zandary. Nentina nihazo ny CSBII Ambohimanjaka izy ireo. Anatin’ny fanadihadiana ny mpamily ny zandary amin’ izao fotoana. Mampitandrina ireo mampiasa ny lalam-pirenena hanaja hatrany ny ha­fa­in­ganam-pandeha izy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: