“Zava-dehibe amin’ny Foloalindahy ny maha tandroka aron’ny vozona, miaro ny fiandrianam-pirenena. Betsaka ny fanaratsiana mampisara-bazana ny Tafika sy ny zandary”, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena sady minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, ny Jly Rakotonirina Richard nandritra ny fambolezan-kazo tao amin’ny toby famaharan’ny Tafika an’habakabaka “Base aérienne 213” Arivonimamo, omaly. Marik’ izany firaisan-kina izany ny fiaraha-mientan’ny Foloalindahy nanatanteraka ity fambolen-kazo ity ho an’ ny taranaka faramandimby. Nanamafy koa ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Serge Gellé fa betsaka ny fanaratsiana ny mpitandro filaminana tato ho ato. “Fandikan-dalàna izany fa isika nofanina natao handefitra saingy misy fetrany izany”, hoy ny Seg manoloana ny fanaratsiana ny Foloalindahy. Tonga hatrany amin’ny resaka mandeha aza fa tokony hofoanana ny zandariamaria. Nambaran’ity manamboninahitra Jeneraly ity fa mila mailo hatrany ny Foloalindahy ary tokony hiray hina, raha azo atao aza mila mifankatia isika (Foloalindahy io). Nohitsiany aza fa tsy ho azo amin’ izany fihantsiana izany mihitsy ny Foloalindahy. Manaja tena sy manaja olona isika, hoy izy. Marihina fa zanakazo miisa 9700 fototra no nambolena omaly, teny Arivonimamo tamina velaran-tany 10 ha. Nitarika izany ny MDN sy ny Seg. Nandray anjara tamin’ izany koa ny teo anivon’ny minisiteran’ny Raharam-bahiny.
Jean Claude