Sambo rendrika: Vata-mangatsiaka iray hita

Hitan’ny fokonolona teny amoron-drano, omaly tokony ho tamin’ny 08 ora sy sasany maraina, teo ny nofo mangatsiaka iray tamin’ireo mpandeha rendrika ny alarobia teo. Avotra soamantsara saingy mbola mitsabo tena ao amin’ ny hopitaly ao Farafangana kosa ireo namany roa hafa. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, eny amin’ny 45 km miala ny tanety kosa no misy ilay sambokely rendrika, hoy ny zandary ao an-toerana. Tsiahivina fa noentin’ny rano ity sambokely VII ity niaraka tamin’ireo mpiambina azy miisa telo. Ny alin’ny alarobia teo, niantrana teny amin’ny serananan’Anosinakoho, kaominina sy distrika Farafan­gana, niandry fiaingana ny ampitson’io ity sambokely. Nitondra arina tamina gony 20 isa izy. Resi-tory ireo mpiambina, nivaha tampoka anefa ny tady. Noentin-drano ilay sambokely, taitra tampoka koa ireo tao anatiny. Vokany, nitsambikina ny iray tamin’ireo mpandeha vao tafavoaka ny vinany ny sambokely. Hitan’ny mpanjono izy ka avotra sy tody an-tanety. Ny alakamisy tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany tany amin’ny 35 km andranomasina antsinanan’Andakara Vohindava, distrika Vohipeno ilay sambokely. Tazan’ireo mpanjono ny lehilahy iray tao anatiny, noentin’izy ireo izy ka avotra. Ny naman’ireo iray kosa tsy hita popoka. Indrisy fa nofo mangatsiaka sisa no navoakan’ny rano, omaly.

Henintsoa Hani

Partager sur: