Hanomboka anio any Paris, Frantsa, ny fifaninanana « Grand Slam », taranja Judo. Manana solontena telo ny Malagasy. Randrianasolo Lova Mahaisoa (-73kg), miampy mpila ravinahitra miisa 2, Rakotoarivony Royal (-100 kg) sy i Vital Christiane (-57kg), no hiaro ny voninahi-pirenena. Ny alarobia lasa teo no efa nanainga teto an-tanindrazana i Lova raha toa ka efa tany an-toerana kosa i Christiane sy i Royal.
Ho an-dRandrianasolo Lova, efa nanomana mafy ity fifaninanana ity izy ary vonona hiatrika ny ady hatao anio sy rahampitso. “Tonga aty izahay handrombaka medaly ary indrindra haka isa hahazoana ny tapakila hiatrehana ny lalao olympika hatao aty Paris amin’ny taona 2024”, hoy ny nambaran’ity judokas Malagasy, izay anisan’ny sangany eto Madagasikara ary manana fahatokisana ny hahazo vokatra tsara ity. Tsiahivina, efa fanindroany amin’izao i Lova no mifaninana amin’ny “Grand Slam de Paris”. Ny “Grand Slam de Paris” natao tany Tokyo ny volana desambra 2022 ny natrehany voalohany, izay nifandonany tamin’ny judokas teratany Poloney, i Stodolski Adam sy ilay Kameroney, i Mike Pawl Allan no nifanandrina taminy tamin’izany.
Mi.Raz