Ady totohondry : mpikatroka 50 hivondrona

Nanamafy, omaly, ny filohan’ny federasiona malagasy ny ady totohondry, fa hanatanteraka fampivondronana foana ihany na hisy na tsy hisy ny lalaon’ny Nosy. Araka izany, mpikatroka miisa 50 mianadahy, efatra isan-tsokajy ho an’ny lehilahy ary teola na roa ho an’ny vehivavy, ny hivondrona ho an’ny tapany voalohany. Hanomboka ny faran’ny volana avrily izany fampivondronana izany eto Antananarivo. Toy ny efa ma­hazatra, ireo mpikatroka niatrika famaranana, izany hoe ny medaly volafotsy sy volamena rehetra, eo amin’ny so­kajy latsaky ny 57 kg no midina, no havondrona. Eo ihany koa ireo atleta hitan’ny teksianina fa manana traikefa. La­finy ara-batana sy fampitoviana ny lentan’ny teknika ny hatao mandritra ity tapany voalohan’ny fampivondronana ity, araka ny fanazavan’ny filohan’ny federasiona mala­gasy ny ady totohondry, Ra­ba­risoa Hery Mamy. Hihena roa isaky ny sokajy ireo mpikatroka ireo, afaka telo volana.
Mpanazatra nasionaly 11 lahy no hanaraka akaiky ireto atleta malagasy mpiangaly ady totohondry ireto, izay notsongaina avy amin’ny faritra samihafa, hahitana an’i Ram­binina (Toliara), i Famerena (Morondava), i Honoré (Amo­ron’i Mania), i Tsimihi­bo (Atsinanana), i Jaosiva (Mahajanga), i Jao Reziky (Diana), i Félice, Razana­kolona Claude, Rakovolahy Claude, i Thierry ary i Her­mann (Analamanga). Hijery akaiky ny fahaiza-manaon’izy 50 mianadahy ireo ireto teknisianina ireto ary hamoaka ny lisitra farany izay hiatrika ny lalaon’ny Nosy hatao eto Madagasikara, ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra izao.

Mi.Raz

Partager sur: