Tao anatin’ny iray volana : olona efatra matin’ny hanoanana

Amin’ny ankapobeny, mizara roa mazava ny fizaham-pahafatesana. Voalohany, ny fanambaram-pahafatesana ataon’ny mpitsabon’ny hopitalim-panjakana. Faharoa, ny mpitsabo misahana ny fitarihana ny Bmh, anivon’ny kominina no manambara ny anton’ny fahafatesana. Nisy fanadihadiana natao teo anivon’ ity sampandraharaha anivon’ny kaominin’ i Toamasina ity (Bmh), tamin’ny alalan’ny dokotera Bezandry Désiré. Namba­rany fa nandritra ny volana janoary teo, nahatratra 165 ny fizaham-pahafatesana nataon’ izy ireo, efatra tamin’ ireo vokatry ny hanoanana avokoa. Vao nisy iray maty teo anoloan’ny banky iray tao Bazary be vokatry ny tsy fahitana sakafo ny alakamisy lasa teo. Zanak’olona sahirana rahateo ity namoy ny ainy ity. Tsy vitsy rahateo ny olona nanatri-maso ny fialany aina. Vokatry ny hasarotam-piainana, vitsy ny olona sahy manome sakafo ny mpangataka.

Misy aretina hafahafa
Nohamafisin’ny dokotera lehiben’ny Bmh hatrany fa ankoatra ireo efatra matin’ny hanoanana, misy valanaretina somary haingana mitarika fahafatesan’olona izao ka mahatonga ny olona marary sasany tsy tonga any amin’ny hopitaly fa maty an-dalana. Misy ambaratongam-pahefana tokony hilaza izany zava-misy izany saingy noho ny tahotra, tsy misy sahy manambara ka lasa sorona ny vahoaka.

Sajo

Partager sur: