«Ezahina hojerena manokana ny hetahetan’ny mpivarotra, toy ny resaka jiro sy ny fotodrafitrasa maro samihafa ary ny fitaovam-pidiovana», hoy ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra (CUA), Andriantsitohaina Naina, omaly, nandritra ny fitsidihana ny tsenaben’Isotry.
Natao hijerena ny fandrosoan’ny asa amin’ny ankapobeny ity hetsika ataon’ny ben’ny Tanàna sy ny CUA ity. Notsidihana avoko ireo mpivarotra teny an-toerana, isan’izany ny mpivarotra trondro maina, ny akoho amam-borona, ny mpivaro-kena, ny mpivarotra legioma sy voankazo, ny mpivaro-damba sy ny vilany. Fantatra nandritra ny fitsidihana fa mizotra tsara ny asa ary mila tohizana ny asa fanadiovana ny tsena sy ny tatatra, indrindra amin’izao fotoanan’ ny orana izao. Tsiahivina fa tamin’ny taon-dasa, tena nampitaraina ny olona ny fiakaran’ny rano teny anivon’ny tsenaben’ Isotry. «Taorian’ny asa fanadiovana sy ny fisokirana tatatra izay nataon’ny RF2 teny anivon’ireo fokontany, hita fa nihena ny fiakaran’ny rano», hoy ny mpivarotra iray.
Marihina fa ity fitsidihana ny tsenan ’Isotry ity dia tafiditra amin’ny fandaharanasa nampanantenain’ny ben’ny Tanàna ny CUA. Mbola hitohy hatrany ny fitsidihana ifotony ireo tsenabe eto an-dRenivohitra.
Fitia (Mpianatra asa)