Homamiadana : 66% ireo vehivavy marary

Mahatratra 2 alina ny tahan’ny olona voan’ny ho­mamiadana, raha ny tatitra voaray tamin’ny taona 2020. Anisan’ny mahafaty olona betsaka indrindra maneran-tany ny homamiadana. Areti­na anisan’ny mampatahotra ny olona ihany koa izy io. “Ny homamiadan’ny nono sy vozon’ny tranonjaza ny tena maro anisa eto amintsika. Mahatratra 66% ireo vehivavy mararin’izany eto Mada­gasikara. Misy ihany koa ny homamiadana ho an’ny ankizy. Toy ny homamiadana eo amin’ny maso. Fikam­banan-javatra maro ny mahatonga ny homamiadana. Anisan’ iza­ny, ny sakafo hanina, ny rivotra iainana, ny fomba fiaina, ny fitaovana kirakiarainy ary tarazo 5% misy eo amin’ilay olona. Tsy mazoto manao fitiliana ny ankamaroan’ny olona”, raha ny nambaran’ny mpitsabo. “Ampirisihana hanao fitiliana ny vehivavy manomboka 25 – 59 taona. Izy ireo anisan’ny voasokajy ho mora andairan’ny aretina”, hoy hatrany ny fanazavana.
Azo sitranina tsara ny aretina

“Azo sitranina tsara ny aretina raha voatily eny am-piandohana”, hoy ny Pro­fesora Rafaramino Flaurine Josoa, talen’ny Polyclinique Ivokoloaina. Tsirihana mialoha eny amin’ny hopitaly ny aretina sy ireo fivontosana ary ny fiovana misy eo amin’ny vatana. Mba tsy hananosarotra sy tsy hahalafo ny saram-pitsaboana.
Hankalazaina anio ny andro eran-tany hiadiana amin’ny homamiadana. Ton­tosaina any Toamasina ny ivon’ny fankalazana, ka­rakarain’ny minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka.
“Atambatra ny feontsika ary hanao hetsika miaraka”, io ny lohahevitry ny hetsika amin’ity taona ity. Anisan’ ny manao hetsika ho an’ny ady amin’ny homamiadana ny Polyclinique Ivokoloaina eny Ampitatafika. Nentani­na tamin’ity taona ity ny mpi­tsabo mba hahay handray an-tanana ny marary.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: